<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>E. Hoff</author>
<hymn_number>270</hymn_number>
<title>Ry Tompo Izay nanangona FFPM270</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Tompo, Izay nanangona
 Anay ho vato velona !
 Hazony tsy handao Anao
 Ny vato voarafitrao ;
 Fa maro no mandronjina
 Handevona.

[V2]
 Jesosy Fehizoro ô,
 Mpifehy mora sady to !
 Tohano mafy izahay
 Mba tsy hirodana indray,
 Fa indro ny mpisompatra
 Mandrirotra.

[V3]
 Ry Vato fampiraisana !
 Tariho mba hikambana
 Ny vato voapaika re,
 Ho tonga trano lehibe,
 Tsy zakan'ny mpandevona
 Harodana.

[V4]
 Ry Kristiana marobe
 Mba ampiraiso tsara re,
 Hiray am-pitiavana,
 Ho velona finoana,
 Ka mba hiaraka hanao
 Ny asanao.</lyrics>
</song>